CMCS • 6 min read

Ny CMCS, ivon’ny fampandrosoana ny sehatry ny siramamy eto Madagasikara

Author

admin

Cellule Communication

Ny CMCS, mpisehatra ho an’ny fampandrosoana ny fiharina ny siramamy eto Madagasikara

Ny seha-piharina siramamy dia mitana toerana stratejika eo amin’ny toekarena eto Madagasikara. Mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny fiharina amin’ny ankapobeny eto amin’ny Firenana izy. Amin’ny alalan’ny famoronana asa sy fidiram-bola ho an’ireo mpisehatra maro any ambanivohitra no hisehoan’izany. Eo koa amin’ny famatsiana siramamy ny tsena eto an-toerana. Manoloana ireo fanamby mifandraika amin’ny famokarana, ny fifaninanana ary ny fanavaozana ny sehatra, ny Foibe Malagasy momba ny Fary sy ny Siramamy (FMFS) dia manatanteraka ny fampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra ny seha-pihariana siramamy.

Natsangana tamin’ny alalan’ny Didim-panjakana laharana faha-2015-523 tamin’ny 5 Martsa 2015, ny FMFS.

Fanohanana ny famokarana sy fanatsara ny vokatra

Ny asa ataon’ny CMCS dia mandrakotra ny dingana rehetra ao anatin’ny rojom-pamokarana siramamy. Ny Foibe dia mandray anjara amin’ny famantarana ireo toerana afaka hanorenana orinasa famokarana siramamy ka jerena sy hadihadiana ny tany, ny fanombanana ny rano, ny fahazaran’ny olona amin’ny fambolena fary sy ireo mason-tsivana maro samihafa hahafahana mamaritra ilay toerana.

Omena lanja manokana ny fanatsarana ny fambolena fary. Tafiditra amin’izany ny fampidirana masomboly fary voafantina ka mety hahazoana vokatra tsara. Omena lanja koa ny fanatsarana ny fomba fambolena sy fikarakarana ny voly. Manarak’izany koa ny  fanomezana fitaovam-pambolena mifanaraka amin’ny toe-javatra misy eny an-toerana.

Anisan’ny laharam-pahamehana ihany koa ny fanohanana ireo mpamboly. Mandray anjara amin’ny fandrindrana sy fampidirana ireo mpamokatra ao anatin’ny fandaharanasa fampandrosoana ny fambolena fary ataon’ny tantsaha ny FMFS, mba hanatsarana tsikelikely ny famatsiana ireo orinasa mpanodina sy mpamokatra siramamy.

Fitilina ny fotodrafitrasa mahakasika ny rano sy ny fitantanana azy

Miankina betsaka amin’ny fisian’ny rano sy ny fahaizana mitantana izany loharanon-karena izany ihany koa ny fampandrosoana ny famokarana siramamy.

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fambolena fary ny rano. Ilaina araka izany ny fahaizana mitantana azy. Miantomboka amin’ny fijerena ireo fotodrafitrasa efa misy izany. Ka arakaraka ny zava-misy hita no handraisana ny hevitra rehetra amin’ny asa mety ilaina atao. arak’izany, ny tambajotram-panondrahana, ny tohodrano, ny lakandrano, ny toerana fakana rano ary ireo fotodrafitrasa momba ny rano dia anaovana fanadihadiana sy tombana ara-teknika avokoa. Ilaina ny fahafantarana ny mahakasika ireo rano ireo mba ahafahana manombana amin’ny fomba marina kokoa ny velaran-tany tena azo volena sy trandrahina.

Fanapariahana ny fambolena ara-teknika

Ny fanavaozana ny sehatry ny fary sy siramamy dia mitaky ihany koa fandaminana tsara kokoa ny asa fambolena sy fampidirana fitaovana famokarana mifanaraka amin’ny filàna.

Ny CMCS dia mandray anjara amin’ny fanombanana ny filàna eo amin’ny lafiny fampiasana milina sy fitaovana fambolena, mpiasa ary fitaovana ilaina amin’ny fanomanana ny tany, ny fambolena, ny fikojakojana ary ny fijinjana ny fary.

Ny tanjona dia ny handray anjara amin’ny fametrahana rafitra famokarana mahomby kokoa, afaka mamaly ny fepetra takian’ireo orinasa mpanodina ary manatsara tsikelikely ny vokatra azo avy amin’ireo toeram-pambolena.