Actu

CMCS • 6 min read

Dingan’ny fampidirana masomboly voafantina, hatramin’ny fanapariahana azy

Author

admin

Cellule Communication

Ny masomboly fary vaovao izay vao avy nafarana, dia mandalo dingana maromaro, izay voalamina sy hentitra alohan’ny hizarana azy eny amin’ireo mpisehatra mila izany. Manomboka amin’ny fanafarana, fampihibohana ary ny fisedrana azy eny amin’ny tanim-pary izany.

Fantaro ny dingan’ny fanaraha-maso ny masomboly fary vao nampidirina

01 — Fampidirana ireo karazam-pary vaovao

Karazam-pary voafantina mba hampitomboana ny harena ara-genetika

Isan’ny asa goavana ataon’ny Foibe Malagasy momba ny Fary sy ny Siramamy ny fampidirana karazam-pary voafantina, ho entina hanatsarana ny vokatra eto an-toerana. Ny CIRAD no mpamatsy fary an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Izany dia vokatry ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny roa tonta.

02 — Fampihibohana mihidy ao Nanisana

Dingana voalohany hiantohana ny fiarovana ara-pahasalamana amin’ny voly

Rehefa tonga ny fary avy novidiana tany amin’ny CIRAD, dia apetraka mandritra ny roa taona eo ho eo, ao aminy toerana fampihibohana mihidy ao Nanisana ireo karazam-pary vaovao ireo. Ny tanjon’ity dingana ity dia ny hisorohana ny mety hiparitahan’ny  aretina na zavatra hafa mety hanimba ny fary eto an-toerana. Marihina fa lalàna no mamehy izany asa izany.

Atao tsy tapaka ny fanaraha-maso ara-pahasalamana ny zana-pary. Raha voamarina fa misy olana ara-pahasalamana, dia azo esorina ilay karazam-pary voakasika mba hiarovana ireo fitaovam-pambolena efa misy.

03 — Fampihibohana ankalamanjana ao Andranolava Ranomafana Est

Fanaraha-maso ny fiainan’ireo  zana-pary amin’ny toetany misy eto Madagasikara

Rehefa vita ny fampihibohana mihidy, dia afindra any amin’ny toerana fihibohana ankalamanjana ao Andranolava – Ranomafana Atsinanana ireo zana-pary voamarina fa salama.

Mandritra ny roa taona fanampiny eo ho eo, dia arahi-maso ao akaiky ny fahaizany miaina mifanaraka amin’ny toetany sy toetrandro eto amintsika. Ny Fitaleavana ara-teknina no misahana izany, ka ny sampan-draharaha misahana ny fikarohana sy fampiroboroboana ny fambolena eto amin’ny FMFS no miandraikitra mivantana izany asa rehetra izany. Eto dia miompana amin’ny fijerena ny foto-pary, ny fitombony, ny fahaizany miaina mifanaraka amin’ny toetany sy toetrandro, ny asa atao. Mbola mitohy hatrany kosa  ny fanaraha-maso ara-pahasalamana.

04 — Fisedrana eny amin’ny sehatry ny famokarana indostrialy

Famantarana ireo karazam-pary tena mamokatra sy ahazoana vokatra

Ireo zana-pary, hita fa manana tombondahiny raha oharina amin’ny hafa, dia alefa tsapaina any amin’ireo faritra misy orinasa famokarana siramamy. Miampy eto ny masontsivana jerena satria ankoatr’ireo efa natao teo aloha, dia mbola miampy ny fijerena ny tahan’ny siramamy ao anatiny izany.

Io dingana io dia ahafahana manombana ny fitondran’ireo karazam-pary ao anatin’ny tena fepetra famokarana sy mamantatra ireo karazana mety hahasoa ny orinasa sy ny mpamboly.

Ity dingana ity no hahafahana mitily ireo zana-pary tena mamokatra sy ahazoana vokatra tsara.

Rehefa voamarina àry fa hita ny zana-pary mamokatra sy tsara karazana vaovao, dia aparitaka eny amin’ireo mpamboly izany vokatra izany. Marihina fa maimaim-poana izany fanapariahana izany. Misitraka izany avokoa ny Mpiantsehatra rehetra, na ny mpamboly madinika izany, na ny orinasa, na ireo olona vao hanangana orinasa fanaovana siramamy na alikaola vaovao.

Lire les autres articles