FMFS : Fitsidihina ifotony tao amin’ny SUCOMA Ambilobe
Ny 05 Oktobra 2026, ho fanamafisana ny ezaka amin’ny fampandrosoana ny seha-pihariana fary sy siramamy eto Madagasikara, dia nidina ifotony tao amin’ny orinasa SUCOMA (SIRAMA Ambilobe teo aloha) ny Tale Jeneralin’ny CMCS, Andriamatoa Antonio TSILEFA, notronin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny foibe.
Nandritra ny fitsidihana dia nojerena akaiky ny fizotry ny fambolena fary sy ny fanodinana azy ho siramamy, mba hahafantarana ny zava-misy eny anivon’ny famokarana sy ireo fanamby atrehin’ny sehatra.
Ny tanjona : hanamafy ny fifandraisana amin’ireo mpisehatra sy handray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra ny seha-pihariana fary sy siramamy malagasy.
CMCS – Miasa ho an’ny hoavin’ny seha-pihariana fary sy siramamy eto Madagasikara !