Ny fihariana siramamy, fihariana stratejika ho an’i Madagasikara
Eto Madagasikara, ny fihariana ny siramamy dia mitana toerana stratejika eo amin’ny toekarem-pirenena sy ny fampandrosoana ireo faritra ambanivohitra. Manomboka amin’ny famokarana fary ka hatramin’ny fanodinana azy ara-indostrialy, dia mampihetsika mpisehatra maro samihafa izy ary mandray anjara amin’ny famoronana asa sy fidiram-bola ho an’ny fianakaviana maro.
Ankoatra ny famokarana siramamy ho an’ny tsena eto an-toerana, mandray anjara amin’ny fanomezana lanja ny harena ara-pambolena sy ny fampiroboroboana ny toekarena eny an-toerana ihany koa ity sehatra ity. Manan-danja lehibe koa izy amin’ny fampihenana ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana avy any ivelany, ny fanamafisana ny fiantohana ny famatsiana ara-tsakafo, ary ny fampandrosoana ireo asa mifandraika aminy, indrindra ny fiompiana sy ny fanomezana lanja ireo vokatra azo avy amin’ny fanodinana.
Noho izany, ny famerenana sy fanomezan-danja indray fihariana siramamy, dia anisan’ireo paikady lehibe ahafahana mampitombo ny famokarana eto amin’ny firenena, manatsara ny fahafahan’ny sehatra mifaninana ary manohana maharitra ny fampandrosoana ny ambanivohitra eto Madagasikara.