Andeha ho fantarina ireo karazana siramamy ampiasaina
Fantatrao ve fa tsy amin’ny endrika tokana ihany no ahitana ny siramamy ampiasaintsika ? Misy ny siramamy fotsy, siramamy mena, siramamy be, siramamy voatoto, siramamy avy amin’ny fary, siramamy avy amin’ny betiravy, muscovado, sns. Maro ireo karazana siramamy misy, ary samy manana ny mampiavaka azy, indrindra eo amin’ny fiaviany, ny dingana nanodinana azy, ny lokony, ny firafiny ary ny fampiasana azy.
Ireto misy amin’ireo karazana siramamy hita eny an-tsena :
Siramamy fotsy
Ny siramamy fotsy no karazana siramamy ampiasaina betsaka indrindra amin’ny sakafo andavanandro. Mandalo dingana fanadiovana sy fanivanana maromaro izy mba hanesorana ny ankamaroan’ireo singa tsy siramamy, indrindra ny melasy (mélasse). Miavaka izy, amin’ny lokony fotsy, ny tsirony tsy dia manana hanitra manokana ary ny fahafahana mampiasa azy amin’ny karazan-tsakafo sy mofomamy maro.
Siramamy mena
Ny siramamy mena dia manana loko matroka kokoa sy tsiro miavaka kokoa noho ny siramamy fotsy. Ny lokony sy ny toetra mampiavaka azy dia mifandray amin’ny fisian’ny melasy, izay mety ho mbola voajanahary ao anatiny na averina ampidirina ao anatin’ny dingana famokarana.
Siramamy be na siramamy gasy
Ity indray dia siramamy izay nandalo dingana fanadiovana vitsy kokoa raha oharina amin’ny siramamy fotsy. Noho izany, mbola mitahiry singa betsaka kokoa avy amin’ny fary izy ary matetika manana loko manakaiky ny volontany volamena sy tsiro mafaitra kokoa noho ny siramamy fotsy, ary mbola ahenona fofona manitra toy ny tantely.
Siramamy glacé
Azo avy amin’ny fanotoana siramamy ho lasa vovoka tena madinika. Ampiasaina indrindra amin’ny fanaovana mofomamy sy tsindrin-tsakafo, toy ny fanaovana “glaçage”, “crème”, haingon-tsakafo.
Ireo zava-maniry fangalana siramamy
Siramamy avy amin’ny fary
Ny siramamy avy amin’ny fary dia vokarina avy amin’ny fary. Miankina amin’ny fomba famokarana sy ny haavon’ny fanodinana azy, dia mety hiseho amin’ny endrika samihafa izy, toy ny siramamy fotsy na mena na loko hafa koa toy ny volontany sns. Ny fary no tena ampiasaintsika eto Madagasikara noho izy voly mety amin’ny tany mafana sy mifanaraka amin’ny toetany eto amintsika
Siramamy avy amin’ny betiravy
Ny siramamy avy amin’ny betiravy dia vokarina avy amin’ny betiravy mpamokatra siramamy (betterave sucrière). Tahaka ny siramamy avy amin’ny fary, dia ahazoana indrindra ny “saccharose” avy aminy ary azo ampiasaina amin’ny vokatra ara-tsakafo maro samihafa.
Siramamy muscovado
Ny “muscovado” dia siramamy volontany izay matetika tsy dia nandalo fanadiovana be, ka mbola mitahiry melasy betsaka. Manana loko matroka, firafitra somary mando ary tsiro tena miavaka sy mafaipaitra izy.
Siramamy avy amin’ny voanio
Ny siramamy avy amin’ny voanio dia azo avy amin’ny ranon-kazo (sève) avy amin’ny vonin’ny voanio. Matetika izy dia manana loko volontany sy tsiro mampiavaka azy. Ampiasaina ho “édulcorant” amin’ny karazan-tsakafo sy fanamboarana sakafo samihafa izy.
Siramamy avy amin’ny palma
Ny siramamy avy amin’ny palma dia vokarina avy amin’ny ranon-kazo avy amin’ireo karazana palma samihafa. Efa nampiasaina hatramin’ny ela tany amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao izy, indrindra amin’ny fanamboarana zava-pisotro sy karazan-tsakafo samihafa.
Ary ahoana kosa ny siramamy biolojika ?
Ny teny hoe « biolojika » dia tsy manondro karazana siramamy iray, toy ny hoe « fotsy », « volontany » na « siramamy gasy ». Manondro kosa ny fomba famokarana ny akora fototra, sy ny fepetra takian’ny fambolena biolojika izy.
Araka izany, ny siramamy avy amin’ny fary dia afaka amidy amin’ny maha siramamy biolojika azy raha mahafeno ireo fepetra takian’ny fanamarinana mifandraika amin’ny famokarana biolojika.
Siramamy samihafa, fampiasana samihafa
Ny fahasamihafan’ireo karazana siramamy hita eny an-tsena dia vokatry ny anton-javatra maro, toy ny fiavian’ny akora fototra, ny fomba fanodinana, ny haavon’ny fanadiovana ary ny endrika farany ananan’ilay vokatra.
Na avy amin’ny fary na avy amin’ny betiravy izy, dia mitana toerana lehibe eo amin’ny indostrian’ny sakafo ny siramamy. Ny fahafantarana bebe kokoa ireo karazana siramamy samihafa dia ahafahantsika mahatakatra ny fiaviany, ny toetra mampiavaka azy ary ny fampiasana azy samihafa.
Ho mamy toy siramamy foana anie ny fiarahantsika eto ary !